<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Sambatra izay voafidy
 Ho mpiasanao
 Ka hanohy ireo adidy
 Izay natombokao.
 Ho mpitaiza ny fanahy
 Toy ny vitanao
 Ho mpiady tena sahy
 Tarikao Jeso.

[V2]
 Dia mpiasa tsy an-tery
 Ka mafana fo
 Te-hanangona ondry very
 Marobe tokoa.
 Te-hitaona ny tanora
 Sy ny zaza koa
 Tsy hifidy asa mora,
 Fa ho mpankatò.

[V3]
 Hianao, ry Jeso Tompo,
 No nampianatra
 Ny olonao mba hanompo
 Tsy mitsahatra.
 Tsy handala ny talenta
 Izay natolotrao :
 Fa ny aina re no fetra
 Entina manao.

[V4]
 Nefa tsy matoky tena
 Fa malemy moa,
 Ka dia mila fahendrena
 Mila hery koa ;
 Ho mpiasa mahavita
 Izay anjara etý,
 Mandra-pody ao am-pita
 Aminao arý.</lyrics>
<title>Sambatra izay voafidy ho mpiasanao FFPM288</title>
<hymn_number>288</hymn_number>
<author>A.E. Rabary</author>
</song>